Na eo amin'ny fiainantsika ara-batana na ara-panahy, dia misy fitsapana sy sakana maro foana. Fahiny, rehefa niatrika fitsapana lehibe ny Israelita—ny tany efitra tsy misy rano sy sakafo ary ny tany Kanana nonenan'ny goavambe, dia Andriamanitra irery ihany no nametrahan'i Josoa sy Kaleba ny fanantenany. Tahaka azy ireo, mila finoana isika mba hahitana ny varavaran'ny fanantenana izay nosokafan'Andriamanitra ho antsika eo anivon'ny fahasahiranana.
Toy ny nanokafan’Andriamanitra ny varavaran’ny fanantenana ho amin’ny fanjakan’ny lanitra ho an’ireo olona masin’ny Fiangonana voalohany izay namoy fo tamin’ny fanomboana an’i Jesosy, tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty sy ny fiakarany, ary toy ny nanehoan’i Jesosy an’i Petera, izay tsy nahazo na inona na inona nandritra ny alina, ny fahagagana miseho rehefa mankatò ny teniny isika, dia toy izany koa androany, ho tanteraka tokoa ny tenin’i Kristy Ahnsahnghong hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ny filazantsara.”
Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho Sy izay ohatry ny androko; Aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. Ary ankehitriny, inona no andrasako, Tompo ô? Ianao no antenaiko. Salamo 39:4–7
Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. Matio 24:13–14
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy