Ny finoana dia tsy hita maso, fa amin'ny farany dia miseho amin'ny alalan'ny asa fankatoavana.
Andriamanitra dia nanambara ny farany hatrany am-piandohana, ary nanambara ny zavatra mbola ho avy, ary namporisika ny olombelona hahatratra ny famonjena ny fanjakan’ny lanitra amin’ny alalan’ny finoana sy ny fankatoavana.
Rehefa mandidy zavatra ho antsika Andriamanitra, dia tsy ho tombontsoany manokana izany, fa ho antsika—tahaka ny fanaon’i Josia Mpanjaka sy Abrahama ary Noa, izany rehetra izany ho tombontsoantsika sy famonjena antsika. .
Noho izany, amin’izao vanim-potoana izao koa, amin’ny fankatoavana ny fampianaran’i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny, izay tonga amin’ny maha-Fanahy sy Ampakarina, dia voatahy ny olombelona ary handray anjara amin’ny fitsaharan’Andriamanitra amin’ny farany.
Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao;
ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao: -
Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka.
Deoteronomia 28:1–6
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy