Ny antony tokony hatahoran’ny olombelona an’Andriamanitra sy hananany fiainana marina araka ny fampianaran’Andriamanitra dia ny ho sambatra mandrakizay ao amin’ny fanjakan'ny lanitra mandrakizay, izay nampanantenain’Andriamanitra.
Izany no nahatonga ny Apostoly Paoly nilaza fa nihazakazaka ho amin’ny mariky ny finoana izy, dia ny famonjena fanahy.
Mba hitarika antsika ho amin’ny famonjena ny fanahintsika, izay mariky ny finoantsika, dia tonga fanindroany teto an-tany i Kristy Ahnsahnghong tamin’ny nofo ary namerina tamin’ny laoniny ny Paska ny fanekena vaovao, izay nofoanana tamin’ny taona 325 Am.f.i.
Manaraka ny fampianarana fa ny Fanahy Masin’Andriamanitra dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika raha tsy misy ny Paska, ny Fiangonan’Andriamanitra maneran-tany dia mitandrina ny Paska ho masina.
[M]ba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana, ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy, . . . mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy. 1 Petera 1:7–9
Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. 1 Jaona 5:11
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy