Nitandrina ny didy sy lalàna avy amin'Andriamanitra i Mpanjaka Asa sy Mpanjaka Josafata, nandrava ny sampy rehetra, ary nitondra ny vahoakany tamim-pinoana fa handeha tsara ny zavatra rehetra raha mbola eo Andriamanitra. Vokatr'izany, dia nomen'Andriamanitra fiadanana ny fireneny, ary nomeny fitahiana sy voninahitra be dia be.
Tamin'ny tantara ao amin'ny Baiboly, dia nasehon'Andriamanitra ny lalana hahazoana fitahiana. Tsy tokony hanota isika ka hitady vonjy amin'ny firenena matanjaka nefa tsy mitady an'Andriamanitra, tahaka an'i Asa. Tsy tokony hiray hina na hiara-miasa amin'ny mpanao ratsy koa isika, tahaka an'i Josafata. Satria raha manadino an'Andriamanitra isika ka matoky olona sy ny manodidina antsika, dia esoriny ny fitahiany.
Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Asa. Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman'osy fito arivo. Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin'ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an'i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin'ny manodidina fahizay. 2 Tantara 15:10–15
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy