Toy ny hoe noforonina ny famantaranandro mba hahitana ny fandehan’ny fotoana tsy hita maso, dia hitantsika ao amin’ny Baiboly ny fitsarana ny ho any an-danitra na ny helo ao amin’ny tontolo ara-panahy tsy hita maso.
Satria i Jesosy, izay tonga toy ny fahazavana, dia tonga araka ny fanaon’i Melkizedeka, ireo mpanara-dia Azy, ireo mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra, dia mitandrina ny Paska ny fanekena vaovao ary manaraka ny fampianarany ihany koa.
Roa arivo taona lasa izay, dia nizara roa ny olona — dia ireo izay nino an’i Jesosy tonga tamin’ny nofo ho Mpamonjy azy sy ireo izay tsy tonga, ary tamin’ny andron’ny Fanahy Masina, dia misy ireo izay mino an’i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny, izay tonga tahaka ny Fanahy sy ny Ampakarina, ary ireo izay tsy mino.
Milaza ny Baiboly fa efa voafaritra ny fitsaran’Andriamanitra, miorina amin’io finoana io.
Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.
Jaona 3:19–21
Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
1 Jaona 1:5
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy