Ny nahatonga an’i Jesosy ho Mpisoronabe mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka dia satria, amin’izao vanim-potoana izao koa, dia misy ny Paska ny fanekena vaovao izay tsy maintsy hataony amin’ny maha-mpisorona Azy.
Tahaka ny nitso-dranon’i Melkizedeka an’i Abrahama tamin’ny mofo sy divay tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, dia nomen’i Jesosy ny olombelona ny fitahian’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny mofo sy divay.
Tahaka an’i Jesosy, Kristy Ahnsahnghong izay tonga Fanindroany koa dia Mpisoronabe araka ny fanaon’i Melkizedeka, nanome ny fitahian’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny mofo sy ny divain’ny Paska ny fanekena vaovao.
Amin’izao vanim-potoana izao, ireo izay manaraka ny fanaon’i Melkizedeka ao amin’ny fanekena vaovao ihany, fa tsy ny fanaon’i Arona avy amin’ny fanekena taloha, no afaka ho tonga zanaky ny teny fikasana izay mandova ny fampanantenan’Andriamanitra.
Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsy fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany, . . .
tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe ,,mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy.
Hebreo 6:17–20
[D]ia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
Efesiana 3:6
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy