Ny vinatana hisian'ny olona teraka velona, amin'ity vatana mifototra amin'ny proteinina ity, dia mbola manify kokoa noho ny fandresena ny loka voalohany amin'ny loteria in-efatrapolo misesy.
Ao amin’ny Baiboly manontolo, ny tenin’Andriamanitra dia voarakitra an-tsoratra amin’ny fomba mazava tsara, ary manantitrantitra ny tsy hanampina na hanaisotra amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny teniny raha te hahazo ny fiainana mandrakizay isika.
Ny zavatra rehetra nataon’i Jesosy sy ny apostolin’ny Fiangonana voalohany dia voatahiry ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra.
Hoy ny Apostoly Paoly sy Jaona: “Manana an’Andriamanitra Reny tokoa isika”, ary manazava amintsika koa fa Andriamanitra Reny, izay Eva ara-panahy, dia manome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona.
Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; ary raha misy manaisotra amin'ny teny . . . ,
dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.
Apokalypsy 22:18–19
Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; . . .
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
Genesisy 1:26–27
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy