Rehefa tonga Andriamanitra vao mahatsapa ny fahamarinan’ny hazon’aina ny olombelona ka miditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Nanenjika sy nanombo an’i Jesosy ny olona, izay tonga teto an-tany ho famonjena azy ireo, nefa tonga teto an-tany indray i Kristy Ahnsahnghong mba hamonjy sy hanome fiainana ny zanany.
Araka ny voasoratra hoe: “Hiseho fanindroany Izy hitondra famonjena ho an’izay miandry Azy”, dia tonga teto an-tany i Kristy Ahnsahnghong, ary nampianatra antsika momba ny Paska ny fanekena vaovao izay nafoin’ny olombelona, ka nahatanteraka ny faminaniana rehetra momba an’i Davida Mpanjaka, sady nanambara an’i Jerosalema Reny any An-danitra.
Noho izany dia afaka manana fanantenana ny amin’ny fanjakan’ny lanitra ao Ziona ireo mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny.
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
Hebreo 9:27–28
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy