Nanao izay rehetra tiany i Solomona, saingy tamin'ny farany dia hoy izy: “zava-poana ny zavatra rehetra!” Ary araka ny niaiky na dia i Aleksandra Lehibe aza, rehefa tonga ny fahafatesana dia miverina tsy mitondra na inona na inona ny olona. Noho izany, dia tsy tokony ho afa-po amin'ny fifaliana sy ny fahafinaretan'ity tany ity isika, fa hiaina ho an'ny fanjakan'ny lanitra mandrakizay, amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. Ny fomba fiaina feno fahendrena dia ny miaina ho an'ny fahasambarana izay ho azontsika mandrakizay ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.
Tsy maintsy manao safidy izay ahafahantsika miaina amim-pahatokiana eto an-tany sy mandray ny fitahian'Andriamanitra any an-danitra ny olombelona. Mitandrina ny andro Sabata sy ireo fety fito isan-taona ireo mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra ary manome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asa soa ho fiomanana amin'ny fanjakan'ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay.
[K]a ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny. Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra. Mpitoriteny 12:7–8, 13
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy