Koa satria Andriamanitra milaza fa izay mino Azy no handray ny Fanahy Masina, ireo izay maniry handray izany dia tsy maintsy mino sy manaraka ny fampianaran'i Jehovah Andriamanitra amin'ny vanim-potoanan'ny Ray, i Jesosy amin'ny vanim-potoanan'ny Zanaka, ary i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny, izay tonga ho ny Fanahy sy ny Ampakarina, amin'ny vanim-potoanan'ny Fanahy Masina.
Ireo izay mankatò ny tenin'Andriamanitra no tena mino an'Andriamanitra. Tahaka ny nitahiana an'i Noa, Abrahama, Mosesy, Josoa ary Kaleba noho ny fankatoavany ny tenin'Andriamanitra, dia hotahina koa ny olona manam-pinoana izay mitandrina ny andro Sabata sy ny Paska—ny tenin'Andriamanitra—ankehitriny.
Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo. Jaona 8:47
Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny làlany. Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. Deoteronomia 28:9–10
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy