Rehefa mankatò ny lalàn'Andriamanitra isika, dia misy fitahiana tondraka miandry antsika foana. Noho izany, ao anatin'ireo fety naorin'Andriamanitra hatramin'ny vanim-potoanan'ny Ray—toy ny Sabata sy ny Paska—dia misy foana ny didy hoe: “Aza manadino, fa tsarovy ary tandremo mandrakizay.”
Milaza ny Baiboly fa hotahina ho olona marina izay mitandrina ny lalàn'Andriamanitra amin'ny vanim-potoana rehetra, ary hohelohina noho ny fiodina kosa izay mandika izany. Ny tsy fitandremana ny lalàn'Andriamanitra no nahatonga ny Israelita ho babo tany Babylona.
ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalànany izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay. Eny, ny Israely rehetra efa nandika ny lalànanao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalànan'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay. Daniela 9:10–11
ary mandeha araka ny lalànako sy mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina —dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy Jehovah Tompo. Ezekiela 18:9
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy