Ny Baiboly sy ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona fa ny antony hiavian’i Kristy fanindroany dia ny handrava ny fahafatesana, izany hoe hanome ny olombelona ny fiainana mandrakizay sy hitondra azy ho any amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ny hany fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona, izay nanao fahotana mendrika ny fahafatesana tany an-danitra, dia ny fihinanana sy fisotroana ny nofon’i Jesosy amin’ny alalan’ny Paska, toy ny tamin’ny 2 000 taona lasa izay.
Araka ny faminanian’i Isaia fa Andriamanitra irery ihany no afaka manomana fanasana izay mandevona ny fahafatesana mandrakizay, dia mino an’i Kristy Ahnsahnghong ho Andriamanitra ny mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra ary mitandrina ny Paska satria Izy no nandrava ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Paska.
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
Jaona 6:54
Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, Dia fanasana amin'ny zavatra matavy, Fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, Zavatra matavy be tsoka, . . .
Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; . . .
Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, Izay nandrasantsika hamonjy antsika; . . .
Isaia 25:6–9
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy