Raha mino ny filazantsaran’ny fanekena vaovao isika, sy mahatakatra tsara ny lalàn’Andriamanitra ary mitandrina izany, dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay, ho lasa fisoronana mpanjaka, ary handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Ambonin’izany, ny lalàn’Andriamanitra dia hitarika antsika ho amin’i Kristy Ahnsahnghong sy Jerosalema Vaovao, Reny Ara-lanitra, hitarika antsika ho amin’ny famonjena mandrakizay.
Ireo mpaminany, anisan’izany i Isaia, dia milaza amintsika fa ny finoana hoe “Tsy mila mitandrina ny lalàn’Andriamanitra isika” dia nitarika loza maro teto an-tany tamin’ny farany.
Ireo izay mitandrina ny lalàn’Andriamanitra araka ny voalaza dia hahatsapa fifaliana sy fahasambarana ary fiadanana, fa ireo izay mandà ny lalàn’Andriamanitra kosa dia hiatrika loza sy ozona ho vokatry ny heviny.
Koa henoinareo, ry jentilisa, Ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, Dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, Ary nolaviny ny lalànako.
Jeremia 6:18–19
[A]ry ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny,
amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika,
2 Tesaloniana 1:7–8
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy