Ny lalàn’ny Saha Edena, ny lalàn’ny fanekena taloha, ary ny lalàn’ny fanekena vaovao naorin’i Jesosy dia samy napetrak’i Elohim Andriamanitra avokoa mba hanome voninahitra sy fahasambarana mamirapiratra ho an’ny olombelona amin’ny hoavy.
Amin’izao andro izao, Andriamanitra dia mampianatra antsika amin’ny alalan’ny mpaminany maro, anisan’izany i Daniela mpaminany, fa heverina ho fandikan-dalàna sy faharatsiana ary fikomiana ny miala amin’ny didin’Andriamanitra sy ny lalàny.
Ny mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra dia misokitra ao am-pony ny fampianaran’i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny, izay nanome toromarika azy ireo mba tsy hanao tsinontsinona na dia ny fampianarana faran’izay bitika indrindra avy amin’Andriamanitra aza, fa hanao zavatra araka ny Baiboly.
Koa satria nanangana ny lalàn’ny fanekena vaovao i Jesosy, ary nanome ohatra ny amin’ny fitandremana azy io mihitsy aza, dia intelo izy ireo no nankalaza ireo fety fito, anisan’izany ny Sabata sy ny Paska.
Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; . . .
Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny farany izy.
Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibeazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, . . .
Daniela 7:25–27
Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalànako aza, Dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
Hosea 8:12
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy